Psalms 62

Fiantombenan’ ny fanahy izay manantena an’ Andriamanitra, na dia mafy aza ny famelin’ ny fahavalo

Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy. 3Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. 4Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona; 5Misaina hanongana azy hiala amin’ ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ ny vavany izy, fa manozona amy ny fony. [Sela.] 6Miantombena amin’ Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko. 7Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. 8Andriamanitra no iankinan’ ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’ Andriamanitra. 9Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. [Sela.] 10Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy. 11Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo. 12Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery. 13Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Copyright information for Mg1865